Ny talata farany teo no nampahafantarina tamin’ny fomba ofisialy tetsy amin’ny hotely Ibis Ankorondrano ny drafitrasa nasionaly momba ny fahasalaman’ny fananahan’ny tanora sy adolantsento ho an’ny taona 2018 -2020.
Tanjona ny hampihenana hatramin’ny 50% ny tahan’ny vohoka aloha loatra sy ny fampirisihina ny tanora mba hanatona tsy amin’ahiahy ny tobim-pahasalamana mijery ny momba ny fananahany. Tanora ny mponina Malagasy satria ny 32% dia anelanelan’ny taona 10 ka hatramin’ny 24 ary ao anatin’ireo taona ireo mihitsy no betsaka indrindra ny olana ara-pananahana toy ny vohoka aloha loatra sy ny vohoka tsy nirina. Ao ihany koa no hitrangan’ny fanalan-jaza sy ny aretina maro azo avy amin’ny firaisana ara-nofo. Ny 15 hatramin’ny 19 taona no betsaka ny tahan’ny fanaovana firaisana sy mahalonaka ny tanora Malagasy ary maro an’isa amin’izany ny vehivavy. Hohamoraina, araka izany, ny fahafahan’ny tanora miditra amin’ny fandrindram-piterahana mba hisorohana ny olana rehetra amin’ny fananahana. Tetsy an-daniny, nanamafy ny ezaka tokony hatao ny sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny fahasalamana, Dr Joséa Ratsirarson satria faha-79 amin’ny tahirin-kevitra efa natonta ity drafitrasa ity, hoy izy ka ilaina ny famadihana azy ho tena asa fa tsy hijanona tahiry fotsiny mba hisy fiantraikany mivantana amin’ny fahasalaman’ny tanora Malagasy izay hoavin’ny firenena.
Tsiry
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.