Actualités

Tanjombato Miaramila 5 nampandohalehan’ny Polisy


  • Alarobia 16 Jona 2010

Nampandohalehan’ny Polisy ireo miaramila teny Tanjombato omaly. Noho ny resaka fanafihana nitranga teny Ifarihy omaly ihany no anton’izao fampandohalehana izao.

Nilahatra haka vola teo amin’ny banky iray ireto miaramila ireto no nanao be fiavy ireo Polisy nisambotra azy ireo. Nitangorona ny olona ary tsy nisy ny fanazavana fa tonga dia nafatotra tamin’ny «menottes» avy hatrany ireo miaramila.

Saika ratsy mihitsy ity zava-nitranga teny Tanjombato ity eo amin’ny fifandraisain’ny Polisy sy ny miaramila satria araka ny fantatra dia avy ao amin’ny Capsat ireto miaramila ireto. Nisy fanafihana teny Ifarihy omaly vao maraina be. Lasa tamin’izany ny solosaina sy ny vola iray tapitrisa ariary sy ny rojo volamena maherin’ny 30 grama, finday maromaro ary indrindra ny karatra elektronika ahazoana maka vola.
Omaly maraina dia teny amin’ny banky Tanjombato avy hatrany ilay olona voatafika. Teo no nahitan’izy ireo ilay olona dimy sahirana nampiasa karatra nikasa ny haka vola. Nitodika tany amin’ireo ny ahiahin’ireo voatafika ka avy hatrany dia nampandre ny Polisy izy ireo. Niditra an-tsehatra ny Polisy dia izao nisambotra izao. Rehefa natao anefa ny fanadihadiana dia tsy io ilay karatra very. Tohina mafy tamin’ity tranga ity moa ny miaramila avy etsy amin’ny Capsat.
 
Fa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Faminaniana vaovaon'i Pr Mailhol
  • Zoma 24 Aprily 2026

"Amin'ny 2030

  • Fampandrosoana miainga
  • Zoma 24 Aprily 2026

amin’ny famokàrana Nampiharin’ny mpanjanaka

  • Tany eto madagasikara
  • Zoma 24 Aprily 2026

Hofoanana ny tany colons,

  • Business day
  • Zoma 24 Aprily 2026

andiany voalohany

  • NY TENA FIAINAN-DRAMALAGASY
  • Zoma 24 Aprily 2026

MARIO mpitondra lakana

Hijery ny tohiny
FTT