Actualités

Tanin’ny Labatoara Tsy hanaiky lembenana ny TIKO


  • Alatsinainy 02 Novambra 2015

Nanamafy ny sabotsy lasa teo ny Me Hasina Andriamadison fa an’ny Tiko ny tany misy ny labatoara etsy Andohatapenaka. Hametraka taratasy eo anivon’ny fitsarana izy ireo ka hangataka ny hanafoanana ny fifampivarotana izay nataon’ny fanjakana sy ny Seimad.

 

Ara-dalàna

Nandritra ny fihaonany tamin’ny mpanao gazety tetsy Belair no nanazavan’ity mpisolovava ny vondron’orinasa Tiko ity fa tamin’ny 18 martsa 2008 dia nisy ny fanaovana tolo-bidy na «appel d’offre» natao tamin’io tany io ary afaka nandray anjara avokoa ny rehetra. Ny Tiko Agri no nahazo ny tany satria izy no nahasahy nanao tolo-bidy ambony. Ny 3 desambra 2008 no natao ny fifanekena ara-barotra ary ny minisiteran’ny fambolena sy ny jono ary ny fiompiana no nanao sonia tamin’izany. Taorian’izay dia efa nanorina ny fotodrafitrasa ny Tiko Agri ka ny 80% no efa tafatsangana. Raha nidina teny an-toerana Atoa Marc Ravalomanana izay mpanorina ny orinasa Tiko sy ireo mpiara-miasa aminy ny 20 oktobra 2015 lasa teo dia nambarany fa hanangana indray ity labatoara ity izy ahafahana mamelona sy mamorona asa ho an’ny malagasy.

Nikoropaka

Vao nahita izany anefa ny fitondrana, hoy ity mpisolovava ity dia nikoropaka nanao fampivarotana maimaika ny fanjakana sy ny Seimad ary dia nahavariana fa tao anatin’ny telo andro fotsiny dia vita ny taratasy rehetra. Raha olon-tsotra anefa dia telo volana vao vita. Nahoana no hihazakazahana izy ity kanefa ny andinin-dalàna laharana  132 60 144 tamin’ny 3 oktobra 1960 dia milaza fa tsy azo atao ny mamindra na mivarotra ny tany efa manan-tompo. Ny nahagaga ihany koa an’i Me Hasina Andriamadison dia ny nilazan’ilay tale jeneralin’ny fananan-tany fa tsy ara-dalàna io fifampivarotana izay natao tamin’ny Tiko Agri tamin’ny 2008 io satria ny minisitry ny fiompiana sy fambolena no nanao sonia ny fifampivarotana, kanefa ny didim-panjakana 2007-950 tamin’ny 5 novambra 2007 dia milaza  fa ireo minisitera telo ireo no manana zo hitantana ny fananan-tany. Afaka manatanteraka ny fifanarahana ara-barotra tsara ny minisiteran’ny fiompiana sy ny fambolena ary voambara fa ny taratasy rehetra vita dia mitohy hatrany na dia miovaova aza ny fitondrana misy. Nambarany fa raha toa ka laizain’izy ireo fa tsy ara-dalàna ny nataon’ny Tiko Agri tamin’ny 2008 dia tokony ho nangataka fanafoanana tany amin’ny fitsarana izy ireo ary ny fitsarana ihany no afaka manafoana ny fifanarahana ara-barotra. Nambaran’ny mpisolovavan’ny Tiko ihany koa fa raha tena manara-dalàna ny Seimad manao io fotodrafitrasa io, dia tokony hanana taratasy fandravana na «permis de démolition» izy ireo ary asehony eo ivelany izany nefa hatramin’izao tsy tazana.


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

  • Ny Antsa Rakotobe
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Betsaka ny lesona

  • Saika hanatitra
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

kojakojan-dreniny

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

Hijery ny tohiny
FTT