Mbola nanamafy hatrany omaly tamin’ny alalan’ny fanambarana ny Tiko fa fananan’ny Tiko Agri ara-dalŕna ny tany mitondra ny anarana « AHATSIAROVANA XX, TN 29 236 » misy ny labatoara eny Andohatapenaka.
Tsy marina velively, hoy ny Tiko ny fanambarana an-gazety navoakan’ny minisiteran’ny tetikasan’ny filoham-pirenena sy ny fanajariana ny tany ny 28 oktobra 2015 lasa teo, izay milaza fa ny minisiteran’ny fanajariana ny tany sy ny prefen’ny faritra irery ihany no afaka manasonia ny taratasy fifanarahana fanolorana tany, araka ny lalàna 2008-014 tamin’ny 23 jolay 2008 ao amin’ny andininy faha 26. Mialoha io daty io, izany hoe tamin’ny 24 jona 2008 no efa vita ny taratasin’ny Tiko rehetra momba ny fahazoany ny tany eny Andohatapenaka ka tsy mitombina velively noho izany ny resaka satria tsy manan-kery amin’ny zavatra nitranga mialoha ny nivoahany ny lalàna iray fa mihatra kosa amin’ny izay hitranga aorian’ny daty nivohany. Mbola mahatoky ny fisian’ny fanjakana tsara tantana eto Madagasikara ny orinasa Tiko ary mahatoky fa hohajaina ny marina sy ny rariny. Hitondra ny raharaha eny amin’ny fitsarana ity orinasan’i Marc Ravalomanana ity ary manentana ny rehetra hiandry am-pitoniana ny fivoahan’ny didy.
Nangonin’i RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.