Tanimbary mirefy 8ha etsy Ivandry, manamorona an’i Marais Masay, izay hajariana tantsaha miisa 173 ary efa misoratra amina teratany Malagasy hatramin’ny taona 1932 no kasaina teratany sinoa tompon’ny orinasa Comadis Ankorondrano hobodoina, raha ny fanazavan’ireo tantsaha teny an-toerana.
Nanoloana io fikasana io, hoy ireo mpandova, dia efa nametraka fitoriana 5 volana izahay. 30 taona aho, hoy ny filoham-pokontany teo aloha no nipetraka teto fa tsy nisy nandrefy io tany io. Izao aho gaga fa hoe lasan’ny sinoa ilay izy. Mbola tafiditra ao anatin’ny boriborintany faha-5 ity tany ity saingy gaga izahay hoe ny any amin’ny boriborintany faha-3 no nanome alalana amin’ny famarotana sy fivarotana azy. Mahagaga ireto fokonolona ireto ihany koa ny nitorian’ireo sinoa ireo mpandova any amin’ny borigady misahana ny heloka bevava nefa raharaha ady madio no misy. Tsy hanaiky hatramin’ny farany izahay, hoy ireo tantsaha.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.