Actualités

Tangalamena Zakariasy Vonona hifanatrika amin’i Mamy Ravatomanga eny amin’ny Fitsarana


  • Zoma 04 Janoary 2013

Omaly tamin’ny iray ora sy sasany antoandro no nivoaka ny fonjan’Antanimora nitazonana azy vojimaika nandritra ny 50 andro teo, ny Tangalamena Zakariasy Patrick.

 Pitsopitsony ara-taratasy no nampihemotra ny fivoahany raha efa ny alarobia 02 janoary no nahazo fahafahana vonjimaika izy, rehefa nodinihan’ny fitsarana ambony ny fangatahany. Ampamoaka momba ny “bois de rose” no nitanana azy am-ponja, ary samy nitory azy na ny orinasa sinoa mpitrandraka fasimainty Mainland Mining na ilay mpandraharaha, Mamy Ravatomanga. Zavatra telo no mety hitranga aorian’izao fahazoan’ny Tangalamena Zakariasy fahafahana vonjimaika izao, hoy ny Me Olala, mpisolovavany. Na mitohy ny fanadihadiana (instruction) na irosoana ny fitsarana na mivalona hatreo ny raharaha. Satrinay anefa ny hitsarana ity raharaha ity, hoy ny Me Olala, “mba hifanatrika mivantana aminay eo anoloan’ny  fitsarana ilay olona mitory”.

Nanamafy moa ny Tangalamena Zakariasy Patrick fa vonona hiatrika fitsarana izy, ary koa vonona hifanatrika amin’i Mamy Ravatomanga, mpitory azy, eny amin’ny Fitsarana. Mino ny fahaleovantenan’ny fitsarana ny tenako, hoy izy. Marihina fa afaka maneho hevitra ny Tangalamena Zakariasy satria tsy olo-meloka, tsy mbola misy rahateo didim-pitsarana manameloka azy.

Nangonin’i Britto

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT