Actualités

Tandindomin-doza ny hoavy Mitsoaka ireo manampahaizana


  • Alatsinainy 03 Desambra 2012

Tsy dia misy mpiresaka firy kanefa zavatra tena mampatahotra ho an’ny hoavin’ny firenena ny fialan’ireo avara-pianarana sy manampahaizana malagasy eto, ka hifindran’izy ireo any ampitan-dranomasina.

 Ho azy ireo dia sady tsy misy filaminana ara-politika sy ara-tsosialy hahafahany miasa eto no tsy milamina ny rafitra hahafahan’izy ireo maneho ny fahaizany sy ny fahalalany ary ambany dia ambany raha oharina tamin’ny fianarana nataony ny karama mety horaisiny eto. Vao mainka moa nanampy trotraka izany rehetra izany ny fisian’ny krizy tamin’ny 2009 iny, izay mbola nanaporofo indray fa firenena itrangana krizy miverimberina ny eto Madagasikara fa tsy mba misy fitoniana maharitra hahafahana mametraka fandaharan’asa lavitr’ezaka. Heverina fa mety ho zava-doza ho an’ity firenena ity koa ny fisian’ireo Malagasy maro be mandeha miasa any ivelany, tahaka ny any amin’ny Nosy Maorisy sy Seychelles, ny any Liban, Arabie Saoudite ary Koweit sy Chine, misy tonga hatrany Soisa, Israely, Canada, Etazonia. Maharitra 2 ka hatramin’ny 5 taona ny fifanarahana arak’asa ataon’ireny Malagasy ireny any amin’ny firenen-kafa ka mifindra monina any mihitsy izy ireo.

Rehefa tapitra anefa io fe-potoana io, dia misy amin’ireo mpiasa ireo no tsy mety mody aty Madagasikara intsony fa manorim-ponenana tanteraka any ka lasa mamokatra sy miasa ary mandoa hetra ho an’io firenena io. Asa aloha raha efa mba nandinika izao tranga izao ny mpitondra fanjakana sy ireo izay tompon’andraikitra eto amintsika, fa tokony hisy zavatra amboarina sy ahitsy ihany ao anatin’izay rehetra izay, ary mila mipetraka eto ny fitoniana hahafahan’ny rehetra mivelatra amin’ny sehatr’asa manavanana azy tsirairay avy. Fa raha tsy izay dia afaka 10 na 20 taona eo ho eo, dia ho vitsy dia ho vitsy ny teknisianina sy manampahaizana malagasy mbola tafajanona eto, mety hihena be ihany koa ny isan’ireo mpiasa (main d’œuvre), satria efa nijery asa tsara kokoa any ivelany daholo izy ireo.

Tsikaritra koa ankehitriny fa efa tena miha dondrona ny mpianatra malagasy, ary potiky ny krizy sy ny politika ny tontolon’ny fampianarana. Mila fanovana goavana izany fa tsy vitan’ny manonofy fotsiny. Manana andraikitra goavana amin’ireny ny mpitondra, na tetezamita io na mpitondra efa voafidy. Arakaraka ny hipoiran’ny vahaolana faran’izay haingana, no hampihena ny fahavoazana ka mety mba ho avotra ihany ity Madagasikara ity afaka 15 na 20 taona, fa tsy sanatria tahaka ny nambaran’ny manampahaizana iray hoe : afaka 45 taona vao ho tafapetraka sy mahazo faka tsara eto ny fitantanana mahomby eo anivon’ny fitantanan-draharaham-panjakana, satria efa tena nihemotra be mihitsy amin’io taranja io isika noho ny fisian’ny krizy, nanomboka tamin’ny 2009. Ny vahiny anefa dia miha maka toerana tsimoramora eto ihany.

 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT