Actualités

Tanànan’i Mahajanga Nahazo toerana vaovao fakana sary


  • Alakamisy 22 Martsa 2018

Nahazo toerana vaovao fakana sary miaraka amin’ny fiaramanidina tena izy eo ampitan’ny sekoly Notre Dame Mangarivotra ny tanànan’i Mahajanga.

Efa tamin’ny fiandohan’ny volana janoary tamin’ity taona 2018 ity no nalain’ny tompon’andraikitry ny tanàna teny Amborovy ity fiaramanidina kely fitondra tamin’ny andron’ny Repoblika voalohany teto amintsika ity ka izao natao fakana sary fahatsiarovana  an’ity tanàna ity izao rehefa mandalo any ianao hanampy an’ilay hazo Baobab lehibe eny amin’ny Bord. Marihana fa eo amin’ny “Rond point” mihazo an’i Notre Dame no toerana misy azy. Lasa mizara roa ankehitriny ireo mivelona amin’ny fakana sary fahatsiarovana  andavanandro ao Mahajanga ao ka misy ireo mijanona eny amin’ilay Baobab ihany ary nisy kosa ireo nifindra lasy namonjy an’ity fiaramanidina eny Mangarivotra mbola tena mahaliana ny olona tokoa ity.  

 

Ntsoavina Evariste


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT