Hanam-bahiny i Toamasina ka noraisin’ny faritra Atsinanana sy ireo mpiara-miombona antoka aminy, ny fanadiovana ny tanŕna izay tena tototry ny fako sy ny loto tanteraka.
Ho avy ao Toamasina anio alatsinainy ny praiminisitra hanao fivoriana mikasika ny resaka fandriampahalemana mandritra ny telo andro, ho tonga ao Toamasina ihany koa ny alarobia izao ny filoham-pirenena hitokana orinasa fanodinana menaka fanaovana ranomanitra. Na izany aza, nomarihan’ny lehiben’ny faritra Atsinanana, Talata Michel, fa “ho fitsinjovana ny vahoaka amin’ny valanaretina ateraky ny fako sy ny loto no antony nandraisan’ny faritra an-tanana ny fanalana ny fako”. Mifatra 350 m3 ny fako nesorina omaly alahady.
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.