Homena aina vao ny maha mpirahavavy ny tanànan’Antananarivo sy Nice any Frantsa izay somary natoritory teo aloha. Hiditra amin’ny lalindalina kokoa ny fiaraha-miasan’ny tanàna roa tonta.
Nisongadina io nandritra ny fihaonan’ny solontenan’ny tanànan’i Nice misahana ny teknika Franck Garneron sady filoha lefitry ny Fikambanana A.F.G Consult sy ny Ben’ny tanànan’Antananarivo Lalao Ravalomanana omaly alarobia 28 jona 2017 tetsy amin’ny lapan’ny tanàna Analakely. Misy avy hatrany ny vinan’asa hotanterahana toy ny fanatsarana sy ny fanadiovana ny tanànan’ Antananarivo Renivohitra, fanadiovana ny lakandrano. Hanolotra fitaovana ny tanànan’i Nice. Ho an’ny Boriborintany faha-5 manokana dia efa nisy ny fidinana nataon’ny kaominina sy ny tompon’andraikitra nijery ny asa tokony hatao toy ny fanatsarana ny tsena eny Analamahitsy tanàna sy ny tombim-pahasalamana eny an-toerana izay mila fanavaozana noho ny fahanterany. Vonona hanampy ny tetikasa ny tanànan’i Nice. Hiditra an-tsehatra amin’ny fampanofanana ny fitantanana tanàna sy ny teknika ary ny tetikasa momba ny fananganana fotodrafitrasa ity tanàna iray any amin’ny Cote d’Azur Frantsa ity.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.