Niverina nafampana indray ny fandaminana ny tsena eto Antananarivo Renivohitra tato anatin’ny herinandro izao. Misy ny mivarotra mampiaka-peo,
ao koa ireo tsy manaiky ny fandaminana napetraka. Tsikaritra fa miha miverina tsikelikely ihany koa ny fako misavovona eny amoron-dalana. Mialoha kelin’izany dia nisy ny delestazy 3 ora isan’andro,tsy resahana intsony ny lalana simba etsy sy eroa, io no anisan’ny miteraka amboteiazy ankoatra ny mpivarotra amoron-dalana sy ny fiara miantsona amin’ny tsy tokony hiantsonany.
Tsena, fako, fifamoivoizana
Misy tompona tany mipoitra tampoka izany dia milaza fa hofefena ny tsena ary mila mifindra toerana izany ny mpivarotra, nitranga teny amin’ny 67Ha io. Tsy misy toerana voafaritra mazava anefa hifindrana fa toa vao miha ampirisihana hivarotra amin’ny sisin-dalana ireo mpivarotra. Ahiana mihitsy ny hisian’ny savorovoro satria tsy mankasitraka ny hiavian’ny mpivarotra hafa eny aminy ireo mpivarotra eny Isotry. Olana efa saro-bahana hatry ny ela teto an-drenivohitra ny resaka tsena, mivarotra amoron-dalana, fandrahofana ny fako ,ny fifamoivoizana ry tato ho ato izay dia tsikaritra fa miha miroso kokoa any amin’ny gaboraraka indray ireo sehatra ireo. Inona no mety antony :efa tsy mivaky loha intsony ve ny mpitantana ao amin’ny kaominina satria efa vita ny fifidianana, sa efa tena fanahy iniana atao izao zavatra izao mba hahasarotra ny asan’izay ben’ny tanàna vaovao hiditra hiasa eo ?Nahoana no mitazam-potsiny ny fahasahiranan’ny renivohitra ny fitondrana foibe fa tsy mba manampy ny kaominina mihitsy ?
Fanakorontanana manaraka dingana
Maro no alaim-panahy hihevitra fa efa miala any sahady ny fingampingana sy hoditr’akondro ho an’i Lalao Ravalomanana, ary raha izao gaboraraka izao no mitohy ny tanàna maloto, mikorontana no horaisiny. Mahalasa fisainana ihany koa ny nanaovana tampoka ilay hetsika 100 andro hampihenana ny fitohanan’ny fiara amin’ireo faritra mivoaka ny renivohitra. Nahoana no tsy efa atao hatrizay io . Sao lahy ka zavatra hafa mihitsy no ao ambadik’ity resaka 100 andro ity ! Rehefa tena dinihana tsara mantsy izao zava-mitranga izao dia tahaka ny misy endrika fanakorontanana ny renivohitra izany ary efa manaraka dingana ilay izy. Raha mitohy io olan’ny tsena sy ny mpivarotra io, raha tsy misy fanamboarana ny lalana, raha tsy voavaha ny olan’ny jirama dia zava-doza no hitranga eto afaka 100 andro !
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.