Actualités

Tanàna madio sy milamina Miroso amin’ny tanjona Antananarivo Renivohitra


  • Zoma 01 Septambra 2017

Nanao fanadiovana goavana teny amin’ny faritra Anosy sy ny manodidina ny kaominina Antananarivo Renivohitra omaly alakamisy 31 aogositra 2017,



 notarihan’ny lehiben’ny polisy monisipaly, ireo polisin’ny tsena ary ireo ekipan’ny mpanadio avy eo anivon’ny Boriborintany voalohany izay mamaly ny hetahetan’ny Mpanolotsain’ny tanàna sy ny fanjakana. Faritra betsaka biraom-panjakana eny Anosy ka izay indrindra no tena antony nanaovana ny hetsika fanadiovana izao. Ny tanàna madio sy milamina no manamora ny fanaraha-maso sy ny fitandroana ny filaminana. Rehefa betsaka mantsy ireo mpivarotra mijorojoro dia sarotra ny mamantatra ny mpanao ratsy sy ny olon-tsotra. Izay indrindra no tena hiezahan’ny kaominina Antananarivo Renivohitra manamafy hatrany ny hetsika fanadiovana. Nanala ireo mpivarotra hani-masika, voankazo, voninkazo ary taxi-phone izay nameno ny sisin’ny arabe sy ny lalan’ny mpandeha an-tongotra ny tompon’andraikitra no nanentana sy nampitandrina azy ireo mba tsy hiverina eny amin’ireny toerana voarara ireny. Hisy polisy monisipaly izay hifamezivezy, ankoatra ireo polisin’ny tsena mijanona eny an-toerana ihany koa. Ireo minisitera ihany koa etsy an-daniny dia angatahana fiaraha-miasa mba hanara-maso ny fahadiovana mba tsy ho very maina ny ezaka izay natao.

 

Jean D.

 


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

  • Gérard Ramamimampionona
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Milaza hoe te hanavao izao ny

  • Afera sinoa 11,
  • Talata 27 Oktobra 2026

olona ambony voatonona

  • Tale mpanatanteraky
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny ONTM vaovao

  • FIZAHANTANY MATIHANINA
  • Talata 27 Oktobra 2026

Tompon’andraikitra maromaro

  • MALOTO
  • Talata 27 Oktobra 2026

NY RIVOTRA ETO ANTANANARIVO

Hijery ny tohiny
FTT