Actualités

Tanambao V –Toamasina Takelaka dokambarotry ny TIKO saika nongotan’ny Colas


  • Alatsinainy 08 Oktobra 2012

Saika raikitra ny sakoroka tao Tanambao V ny tolakandron’ny alakamisy teo, noho ny fahitan’ireto mponina manodidina ny fihetsiky ny mpiasan’ny orinasa Colas, saika hanala ilay takelaka dokambarotra an’ny TIKO SA tao an-toerana.

 Teo am-pangadiana ny fototr’ilay takelaby ireo olona nitondra ny fiaran’ny orinasa Colas no nitangorona ny olona ary nanontany ireto olona ireto ny anton’izao zavatra izao. Voalazan’izy ireo, araka ny fanadihadiana tamin’ireo nanatri-maso sy nanohitra ny fakana ilay takelaka dokambarotry ny TIKO SA tao Tanambao V ity, fa “ny anay dia iraka fotsiny . Ho avy eto mantsy ny filohan’ny fitondrana tetezamita, ka ilaina amin’ny fampirantiana ny asa hataony eto Toamasina ity takelaka goavana ity”.

Vokany, nandrahona ny handoro ilay fiaran’ny Colas ny nanatri-maso teo ary efa saika raikitra ny fidarohana ireto olona nirahana ireto, raha mbola manohy ny fakana izany na nisisika ny hanimba ilay takelata izy ireo. Nilamina moa ny raharaha, araka ny vaovao azo, satria nandao ilay toerana ireto mpiasa nirahana ireto. Tany an-toeran-kafa izy ireo no naka ny takelaka nametrahana ilay sary be maneho ny asa hataon’Ambohitsorohitra eny amoron-dranomasina. Midika izao fa mbola mitohy hatrany ny fanapotehana ny orinasan-dRavalomanana, tsy vitan’ny orinasa maro efa nosimbaina sy nangalarana ary nodorana fotsiny izany teo aloha, fa tonga hatramin’ny fakana ireo takelaka misy ny dokambarotrany ihany koa mba hahafahana manao dokambarotra ny hetsiky ny fitondrana amin’ny fiatrehana ny taona 2013.

Rakoutou 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • METFP,
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Poste budgétaire 2023-2025

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Hamboarina ny fefiloha

  • Niakatra fitsarana
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

noho ny afera « Boeing »

  • Fikojakojana ny
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

“décanteur Pulsator II” Mandroseza

  • Sehatry
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

ny angovo avy amin’ny masoandro

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

Hijery ny tohiny
FTT