Hikasa hanafika any Ampazony Mahajanga II ity dahalo ity no saron’ny zandary ny alarobia teo raha handeha hamonjy ny namany izay hiaraka hanafika aminy tamin’io toerana voalaza io
. Nampisalasala ny mpitandro ny filaminana izay manao fisavana amin’ny lalam-pirenena fahefatra iny ny fihetsik’ity dahalo ity ka voatery nosavaina ny gony nentiny. Hita tao ny basy vita gasy iray sy bala fampiasa amin’ny “kalibre 12” iray sy lamba. Voatery nosamborina izy ka dia nentina niakatra tao Mahajanga mba atao famotorana sy hatolotra ny fitsarana. Mitaky ny fiaraha-miasa amin’ny vahoaka hatrany ny zandary mba ahafahana mampiehena ny asan-jiolahy eto Madagasikara. Azo atao ny miantso ny laharan-tariby 119 raha misy tranga mampiahiahy eny anivon’ny fiarahamonina.
Tolin
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.