Mirongatra ny asan-jiolahy raha somary nilamindamina kely izy teo aloha teo. Vao ny alahady teo no nisy iray miliara very tetsy Ankadifotsy, tifitifitra tetsy Ambohimanarina, omaly indray koa dia fantatra fa nisy toeram-pivarotana voatafika tetsy Andoharanofotsy.
Ny mampitovy an’ireo tranga ireo dia ny fampiasain’ireo jiolahy kalachnikov hatrany. Ilay tranga tetsy Andoharanofotsy, ohatra, dia kalach miisa telo no indray nentin-dry zalahy nanafika. Mbola niaraka tamin’ny basy poleta roa aza izany, raha araka ny fantatra. Tsy dia nisy inona loatra anefa no azon’ireo tamin’izany, ankoatra ny vola 15.000 ar sy finday roa. Ilay tetsy Ambohimanarina indray dia tena voaporofo tanteraka fa basy AKM no nentin-dry zalahy saika hanafika ilay mpamongady iray eny an-toerana. Ny piti-bala hita teny no nahafantarana fa bala kalach 7.65 no nampiasain-dry zalahy. Ny fanontaniana mipetraka dia ny hoe, avy aiza ihany no hiavian’ireo basy ireo ? Io karazam-basy io aloha raha ny tokony ho izy dia tsy misy afa tsy ny mpitandro ny filaminana no afaka mitazona sy manana azy.
Samy manana ny laharany ihany koa izy ireny ka azo fantarina tsara ny olona nampiasa azy sy ny toby niaviany. Na dia ny piti-bala aza dia ampy hahafantarana izany. Hatreto anefa dia toa tsy mba nisy ny olona na mpitandro ny filaminana nosamborina rehefa voarohirohy momba izany. Toraka izany ihany koa, tsy mbola nisy ny nahavaly marina ny amin’izay niavian’ireo basy sy ny mpamatsy azy. Nitobaka izaitsizy ireo fitaovam-piadiana anefa tao ho ao. Ary ny tena loza aza dia mihemotra ireo mpitandro ny filaminana rehefa tena raikitra ny fifampitifirana amin’ny jiolahy, toa ilay tetsy Ambohimanarina. Nifampitifitra avy lavitra fotsiny ary tsy sahy niditra ireo polisy rehefa fantatr’ireo fa kalachnikov no nampiasain’ireo jiolahy tao anaty maizina. Endrika iray mampiseho izany fa mitady ho mafy noho ny an’ny mpitandro ny filaminana ny fitaovana ampiasain’ny jiolahy. Ary mifandraika amin’izay ihany koa, mitady ho mafy noho iretsy voalohany iretsy farany. Raha tsy hoe angaha ny sasany amin’ny mpitandro ny filaminana ihany no...jiolahy
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.