Actualités

Tambin-karama tsy mazava Mandrahona ny tsy handray baiko ny miaramila


  • Alatsinainy 07 Jona 2010

Itrangana zavatra hafahafa ny fibaikoana miaramila any Manakara tato ho ato. Mandrahona ny tsy handray baiko mantsy ny miaramila, araka ny loharanom-baovao avy any an-toerana.

Tambin-karama no fototry ny disadisa. Mandre ny miaramila fa 30.000 Ar isan’andro ny tambin-karaman’ireo mandray anjara (zandary, miaramila ary polisy) amin’ny fiantohana ny fandriampahalemana nefa dia 9.000 Ar isan’olona isan’andro ihany no tonga eny am-pelatanan’izy ireo, ny an’ny Polisy aza misy milaza fa mbola latsak’izany. Nipoitra io resaka io tamin’ny fotoana tsy nahafaka ny mpikarakara io vola tambin-karama io, ka nankinina tamin’olon-kafa ny fikarakarana azy. 870.000Ar no totalin’ny vola tokony ho nozaraina ho an’ny olona telopolo tao anatin’ny 15 andro, 270.000Ar ihany anefa no tonga tany amin’ireo 30 ireo fa ny ambiny an’ny lehibe. Re taty aoriana fa nezahina nakarina ho 15.000Ar ny nomena ireo miaramila saingy toa tsy nanaiky ny zandary, fa ny vola feno ihany ny azy ireo ary io mitatra io ny raharaha. Mandrahona ny tsy handray baiko izy ireo raha tsy mazava ny amin’io ary aloa avokoa ny tombontsoa tokony ho azon’izy ireo.

Resa-bola toy izany ihany koa no fototry ny olana nitarika savorovoro ary niafara tamin’ny fifanjevoana tao amin’ny FIGN Fort Duchesne farany teo. Koa asa na hanao ahoana indray ity raharaha Manakara ity.
 
Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT