Sarotra raisina ary tsy fantatry ny olom-pirenena loatra, hoy ny tompon’andraikitra mpanao fanentanana iray mikasika azy ity omaly ny dikan’ny tamberin’andraikitra ary anisan’ny tsikera efa
azonay ny hoe tsy mifanaraka amin’ny kolontsaintsika ilay izy. Mampahatsiahy an’ilay resaka fampihavanam-pirenena tsy mety tafapetraka hatramin’izao ny resaka eto satria noteren’ny frantsay hitovy dika amin’ny « réconciliation » na fampiombonana ny fampihavanana izay avy amin’ny kolontsaina hoe Fihavanana. « Efa namaly babena tamin’ilay Madagasikara manome vary sy laoka anao isan’andro ve ianao ? », hoy ny fanontanian’ny mpanakanto iray. Sao io valim-babena io no mifanaraka amin’ny kolontsaintsika ? Tsy hifanerena mantsy izy io fa vokatry ny fitiavana sady tsy misy fepetra ambadika toy ny fampiombonana sy ny tamberin’andraikitra.
Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.