Actualités

Tambajotra sosialy Hanana ny lanjany mandritra ny fifidianana


  • Zoma 06 Aprily 2018

Niteraka resabe nandritra ny fotoana maro ny fanalam-baraka natao tamina depiote vehivavy tany anaty tambajotra sosialy. Nampalahelo ny tranga niseho nefa samy mahalala ny rehetra fa ny ankamaroan’ny ankizy sy ny tanora dia mampiasa “Facebook” ankehitriny.

Tsy resahina intsony ny fahafaham-barakan’ny Andrimpanjakana nipoiran’ilay olom-boafidy sy izay mety ho fiantraikany eo amin’ny fiainam-pianakaviany. Tsiahivina fa volana maromaro lasa izay no efa nisy artista nampidirina am-ponja noho ny famoahana  teny nanala-baraka ny namany teny amin’ny tambajotran-tserasera.  Tamin’ireny hatrany ihany koa no nanaparitahana ny tatitry ny ARMP izay nalaza ho diso tsipelina. Maro ihany ireo raharaha nivoaka tamin’ny Facebook, Twitter… fa ireo voalaza ireo no tena nanamarika ny sain’ny Malagasy. Tsy misy intsony ny fanajana amin’ny maha olona sy ny soatoavina maha Malagasy.   Araka izany, fitaovana hanana ny toerany ny tambajotra sosialy mandritra ny propagandy sy ny fifidianana. Tato ho ato dia sesilany ny fisian’ny fifanenjehana, fanalambaraka ary fifampihantsiana amin’ny tambajotra sosialy, indrindra amin’izao toe-draharaha politika mafana izao.  Marihina fa ny fampiasana ny teknolojia, indrindra ny tambajotran-tserasera no nahalany  an’i Barack OBAMA sy Donald TRUMP ho filoham-pirenena. Fitaovana azo hanaovana “Lobbying” sy “Marketing” indrindra ny “Facebook” eto Madagasikara satria ny ankamaroan’ny olona dia mandany ora sy fotoana amin’izany ao anatin’ny andro iray. Hita taratra fa efa tsy misaraka amin’ny ankamaroan’ny olona ny fanaovana “Facebook”. Noho izany, hanana toerana lehibe ny tambajotra sosialy ho an’izay kandidà hahay hampiasa an’io ary hanana tombony manokana. Entanina kosa ny tsirairay mba ho mailo na amin’ny teny na amin’ny fihetsika satria tsy kely lalana ny ratsy.


Marigny A.

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT