Ny sabotsy teo no tafiditra tanteraka ao Mahajanga ary azo jerena ireo fandaharana vokarin’ny fahitalavitra maro ny Bleuline TV. Teknolojia vaovao miaraka amin’ny fampiasana ny TNT ity novokarin’ny orinasa tsy miankina misahana ny fifandraisan-davitra ity
. Faritra efatra eto Madagasikara no efa mampiasa ity fahitalavitra nomerika ity ary afaka manaraka ireo fandaharana maro na avy eto an-toerana na any ivelany. Tanjon’ny blueline Tv ny hananan’ny tokantrano Malagasy ity teknolojia vaovao ity mba hahalalana ny zava-misy mandalo eto amin’ny tany sy ny firenena. 900 ireo efa mampiasa ny Bleuline TV manerana ny nosy raha 20.000 ny tokantrano no efa ahitana azy. Azo jerena ao anatiny avokoa ireo fahitalavitra isam-paritra ary kalitao sary HD no hitan’ireo mpanjifa. Ho mora ny mpanjifa ny fampiasa ity fahitalavitra nomerika ity satria dia ny “antenne” fampiasa andavanandro ihany dia efa azo ampiasaina hahazoana ny sary sy feon’ny Blueline TV.
Tolin
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.