« Tsy fihantsiana, na filana voa tsy hary no mahatonga anay ho eto anoloan’ny banky BFV-SG ankehitriny, fa efa ela loatra ny volanay no voageja tao, na teo aza ny ordonnance ny fitsarana mamaha izany ». Izay no nambaran’ireto mpikambana eo anivon’ny tambajotra ACOA Toamasina. Nisy noho izany ny « Sit-in » nataon’ireo mpikambana marobe teo anoloan’ity banky ity omaly alakamisy, izay naharitra ora iray teo, nanomboka tamin’ny 10 ora ka hatramin’ny 11ora antoandro. Nifampitaona teo anoloan’ny CRJS ireo mpikambana ireo, notarihan’ny mpitantana ny “caisse” 4 mivondrona eo anivon’ny ACOA dia ny Famonjena, ny Modely, ny Robista ary ny Sept, teo koa ny CT Maso José Michel izay nijoro ho mpanelanelana. Taorian’izay no nitanjozotra nihazo ny araben’ny fahaleovantena misy ny banky BFV-SG ireo mpikambana ireto, hitondra sy hanambara ny fahasahiranany noho io vola tsy mivoaka nefa efa misy didim-pitsarana ady maika momba an’io.
Tao anatin’ny roa taona nifandroritan’ny ACOA sy ny OTIV, dia voageja teo anivon’ny « compte de dépôt » ny banky BFV-SG ny vola 516 tapitrisa ariary izay tahirin’ny mpikambana eo anivon’ny ACOA, na teo aza ireo didim-pitsarana ady maika efa in-03 nivoaka nahazoan’ny Acoa rariny tamin’ny fitsarana sy ny didim-pitsarana hafa izay efa mahery ny 10 mbola manome rariny azy ireo ihany koa tamin’ireo ambaratongam-pitsarana misy ao Toamasina. Ny didim-pitsarana ady maika (ordonnance de référé) farany aza ny 03 novambra teo no nivoaka izay mbola manome rariny ny ACOA hatrany haka ny volany sy mandidy ny banky hamaha ny geja mihatra amin’io volan’ny mpikambana Acoa ao aminy io. Nandritra ity « Sit-in » nataon’ny mpikambana Acoa mitaky ny famoahana ny volany ity, dia nisy ny fihaonana teo amin’ny tomponandraikitry ny banky BFV-SG Toamasina sy ny solontena ara-barotry ny banky avy eto Antananarivo ary ny solontenan’ny mpikambana Acoa notarihan’ny CT Maso José Michel, izay naharitra 25 minitra teo, nentina nandaminana ny raharaha ary nifanomezam-baovao teo amin’izy ireo ka nandritra izay no nahalalana fa « tsy ny banky BFV-SG akory no te hanageja ny volan’ny Acoa eo anivon’ny ‘Compte de Dépôt’ ny banky, fa ny fifanoherana eo amin’ny didy mivoaka eo anivon’ny fitsarana no mahatonga azy ireo tsy mety hamaha ilay vola mihitsy ».
Mazava anefa ny raharaha izao, ka nambaran’ny banky fa « atero mazava eo anivon’ny banky ny taratasy sy ny didy rehetra amin’ny alalan’ny vaditany, dia tsy maharitra ela akory dia hivaha ny kaonty, satria tsy tompom-bola ny banky fa mpitahiry fotsiny izany ». Roa herinandro eo izany raha ela indrindra, raha tsy misy ny fanoherana ataon’olona ity didy ady maika mivoaka ity, dia hivaha ny olan’ny ACOA. Acoa izay manana mpikambana mihoatra ny 47.000 ankehitriny, sy birao foibe 4 ankoatra ireo rantsany am-polony ao Toamasina tampon-tanàna sy hatrany Analanjirofo. Mbola hitohy anio eo anoloan’ny araben’ny fahaleovantena mandritra ny fandalovan’ny filohan’ny FAT ao Toamasina ny hetsika ataon’ireo mpikambana ACOA ireto.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.