Zara raha misy mpiasam-panjakana iray amina toeram-pampianarana iray amin’izao fotoana izao any ambanivolo any.
Betsaka amin’ireo mpampianatra anefa no efa voky taona sy nahavita be tamin’ny asa fanabeazana, indrindra fa ireo talen-tsekoly miisa 300. Mba hahafahana mamaha ny olana dia tonga nifampidinika tetsy amin’ny INFP Anosy nandritra ny roa andro ny solontenan’ny talen-tsekoly rehetra manerana ny Nosy notarihin’ny filohan’ny ANEFFA Randrianjafy Elidio. Ivon’ny fihaonan’izy ireo ny nitafa mivantana tamin’ireo tompon’andraikitry ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena mikasika ny olana sedrain’izy ireo. Ekena, hoy ny filohan’ny ANEFFA fa efa tena manao ezaka ny fanjakana amin’ny fandraisana ireo mpampianatra FRAM 10.000 isa isan-taona ho mpiasam-panjakana saingy tsy ampy izany. Toraka izany koa ny fijerena ireo efa be taona izay mbola mijanona ho FRAM hatrany. Na izany aza anefa, hoy izy dia tokony hojerena manokana ny mikasika ny fandraisana ho mpiasam-panjakana ireo talen-tsekoly rehetra satria efa betsaka ny ezaka vitany. Tsy hanaiky moa izy ireo raha tsy mahazo valiny mahafa-po avy amin’ny minisitera.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.