Nitondra valin-kafatra mikasika ny fanakianan’ny depiote Mapar voafidy tao Mahajanga I, Rahantanirina Lalao na i Nina momba ny fitantanana ny volan’ny Jirama Mahajanga ny talem-paritra Rabevahoaka Bruno.
Nilaza izy fa arotsaka avy hatrany any amin’ny kaontin’ny Jirama foibe, ny vola saran’ny fandaniana hita any amin’ny faktiora aloan’ny mpanjifa. Nahitsy ny tenin’ingahy tale fa sarotra ny famoahana vola amin’ny kaontin’ny Jirama raha toa ka tsy nahazo alalana avy any amin’ny Jirama foibe. Mikasika ny fomba fividianana solika hanodinana ireo milina mpihary herinaratry ny Jirama indray dia nambarany fa ny Jirama foibe no mamoaka ny taratasy fahazoan-dalana ahafahan’ny masoivoho toy ny Jirama Mahajanga mividy solika vao afaka maka izany eny amin’ny toby mpaninjara solika izy ireo. Tsy mitombina, araka izany, ny filazana fa ny Jirama Mahajanga ihany no mamoaka ny vola hividianany solika. Nodisoin-dRabevahoaka Bruno ihany koa ny filazana fa nisy iraky ny Bianco avy ao Antananarivo nanadihady mikasika ny vola miditra sy mivoka ao amin’ny Jirama Mahajanga. « Tsy nisy mpiasan’ny Bianco na iray aza tonga izany taty aminay », hoy izy.
Nangonin’i Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.