Niaiky omaly ny tale jeneralin’ny Jirama Olivier Jaomiary Aimé raha nivahiny tao amin’ny TV Plus Madagascar fa tena nisy fiakarany tokoa ny vidin-jiro.
Niakatra 1000 ariary isam-bolana ny an’ireo mpampiasa jiro sokajiana ho ambanimbany ao anatin’ny tarif 14 na dia mijanona ho 141 ariary ihany aza ny saran’ny 1 kwh ho an’ireo mpanjifa mandany latsaky ny 25 kwh isam-bolana. Ho an’ireo sokajy Tarif 16 kosa ao anatin’ny antsoina hoe :”zone 1” hita eto Antananarivo, Toamasina ary Fianarantsoa ka mandany jiro mihoatra ny 130 kwh isam-bolana dia nesorina ilay sarany 1ere Tranche 205 ariary isaky ny kwh teo aloha fa tonga dia sarany tokana (tarif unique) 370 ariary isaky ny kwh no hikajiana ny saran’ny herinaratra. Izany hoe mitombo 21 000 ariary tsy mbola tataovan-ketra isam-bolana farafahakeliny ny fisondrotan’ny faktioran-jiro. Raisina ohatra hoe 40 000 ariary isam-bolana ny ana tokantrano iray dia lasa 61 000 ariary miampy ny hetra isan-karazany izany manomboka izao. Tsy maintsy nasondrotra ny saran’ny herinaratra mba hanalefahana ny vola lanin’ny jirama amin’ny famokarana herinaratra izay “Central Thérmique” na milina mihodina amin’ny alalan’ny gazoala ny ankamaroany satria tsy ampy ny rano sy ny toerana mpamokatra herinaratra amin’ny alalan’ny rano eto Madagasikara. Nitombo anefa ny isan’ny mpanjifa ka noho izany nitombo ny fatran’ny gazoala ampiasain’ny Jirama, hoy ny tale jeneraliny Olivier Jaomiary Aimé koa izay no anton’ilay fisondrotana. Tsy mora ny fanarenana ny Jirama sy ny sehatry ny angovo eto Madagasikara, hoy i Olivier Jaomiary Aimé ary vonona ny Jirama handray soso-kevitra sy fanakianana mba hahafahana manatsara hatrany ny asa. Mazava ny resaka eto fa niakatra ny vidin-jiro ary miantraika isan-tokantrano sy any amin’ny orinasa tsirairay any avy ary tsy misy aloha izany ny vahaolana hafa fa dia samy miaritra sy mihafy eo ny rehetra.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.