Misy amin’ireo mpiasa eo anivon’ny ivontoerana nasionaly momba ny antontanisa na ny INSTAT no velom-panontaniana amin’izao fotoana hoe olona mendrika ilay toerana ve ny Tale jeneraly,
izay napetraka nanomboka ny taona 2015 ? Nivoaka tao amin’ny sekoly ambony mpanofana ho “Staticien” izy hatramin’izay, saingy tsy mba toy izany ny tenany, raha ny fanazavana. Tompon’andraikitra voalohany amin’ny fampandehanana ny paikadim-pirenena momba ny fampiroboroboana ny antontan’isa, izay voalaza fa tsy nahitam-bokatra hatreto. Ny fanisam-bahoaka ihany no hifantohan’ny asany, kanefa mikorontana. Tsy nahatanteraka ny asany araka ny tokony ho izy ny INSTAT, anisan’ireny ny tsy namoahana ny fanadihadiana sy ny antontanisa momba fari-piainan’ny vahoaka (fivoaran’ny fahantrana), tsy namoaka ny fanadihadiana momba ireo orinasa tao anatin’ny Repoblika faha-4. Tsy vita ny kaonty ara-pitantanana sy ara-bola ary manipy ny olana tamin’ny Tale jeneraly teo, kanefa izy dia lefitra tamin’izany raha ny fanazavana. Voalaza ihany koa fa lasa tafiditry ny resa-pianakaviana ny fitantanana, ka ny zandriny no mpanolotsaina akaiky azy indrindra, ary izay mpiasa tsy tian’io zandriny io dia hesoriny amin’ny toerany. Isaky ny 3 volana ihany koa vao mandray karama ny mpiasa. Amin’ny alalan’ny “note de service” no hanalany mpiasa ambony ao amin’ny INSTAT, kanefa raha ny ara-dalàna dia amin’ny alalan’ny didim-pitondrana. Lazaina fa mandeha araka ny tokony ho izy ny ny fanisam-bahoaka na “Recensement RGPH”, kanefa tsy araka izay. Ny rafitra UGP natao hitantana azy aza vao ny 19 jona no napetraka, ary tsy mangarahara ny nisafidianana azy, raha ny tati-baovao hatrany. Tsy havela hikarakara fifidianana ny delegen’ny mpiasa satria fantany fa tsy ho lany ilay zandriny, izay delege efa lany ny fe-potoam-piasany. Sokajy B amin’ny asam-panjakana no hapetraka amin’ny toerana fitantanana.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.