Mivoaka ny vaovao amin’izao fa saika hotendrena ho mpikambana eo anivon’ny fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana na ny HCC ny tale kabinetran’ny minisiteran’ny fitsarana Andry Rabarisoa.
Tsiahivina fa nisy ny fahabangan-toerana taorian’ny fodiamandrin’ny mpitsara Yvonne Lala Herisoa Raharison Ranoroarifidy ny volana martsa 2017, izay tsy maintsy soloina. Tafiditra ao anatin’ny anjaran’ny filoham-pirenena no manendry izay ho solony, ka io no voalaza tany am-piandohana fa saika hapetraka amin’ny toerana, saingy niova ny tantara noho ny ampamoaka nataon’i Houcine Arfa fa hoe nanao kolikoly avo lenta izy nahafahany nitsoaka, ka anisan’ny voatonona ny anaran’io tompon’andraikitra ambony io. Tsy nolazain’ity vazaha ity kosa ny valeran’ny vola voalaza fa nomeny ny tale kabinetran’ny minisiteran’ny fitsarana. Namotika tanteraka azy anefa iny resaka iny, ka niova tampoka tany amin’ny ora farany ny fanendrena azy amina toerana ambony hafa. Rabetokotany Tahina no notendren’ny filoha ho mpikambana ao anatin’ny HCC fa niahaka tamin’ny ora farany ilay tale kabinetra, ary izy no tena lasibatra mivantana sy tena nizaka ny ngidin’ny ampamoaka, rehefa tena dinihina.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.