Nitokona tsy nisy niasa ny zotra-pitaterana 119 mampitohy an’Ankatso amin’i 67 ha omaly.
Noho ny fampiakaran’ny tompon’ny fiara ny vola arotsaka any aminy na ny «versement» ho 70.000 Ar no anton’izany raha 50.000 Ar teo aloha. Talohan’ny nampiakaran’ity zotram-pitaterana iray ity ny saran-dalany ho 400 Ar mantsy dia nihevitra ireo tompona fiara fa mahazo volabe ireo mpamily sy ny mpanampy azy. Araka ny fanazavan’ireto farany anefa dia vao mainka mafy ny mahazo azy satria hiaretany isan’andro ny vavan’ny mpandeha izay mikasi-tanana mihitsy ny sasany ankoatra ireo manao farateny. Eo an-danin’izay dia tsy misy mandray karama raikitra isam-bolana izy ireo fa ny ambonin’io 50.000 Ar no vola entiny mody any amin’ny vady aman-janany.
Nitokona izy ireo omaly vokatr’izany ary mangataka ny hamerenana ny saran-dalana ho 300 Ar ihany hahafahan’ny tompona fiara mamerina ny ny 50.000 Ar ihany. Eo an-danin’izay dia nambaran’izy ireo fa samy manana ny hatsarany ny fiara tsirairay ka tsy tokony hampitoviana ny vola hampidiriny. Misy ireo mbola tena tsara mahita vola mihoatra noho izay tokony hotadiavina, misy koa anefa ireo efa tena ratsy, araka ny fanazavan’ireo mpamily sy ny mpanampy azy ihany. Tsara ny manamarika fa ity zotram-pitaterana iray ity no anisan’ny nitarika voalohany ny fampiakarana ny saran-dalana ho 400 Ar teto an-drenivohitra. Ny mpamily sy ny mpanampy azy indray anefa ity no mitaky ny hampidinana azy satria mahatsiaro maharary.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.