Actualités

Taksibe Tohanan-dRajoelina ny 400Ar


  • Talata 27 Novambra 2012

Mazava ny resaka ! Ny filohan’ny tetezamita mihitsy no manohana ny fampiharana ilay 400Ar sarandalan’ny taksibe mitrandraka ireo zotra eto an-drenivohitra, manankery nanomboka ny alakamisy 01 novambra 2012 teo.

 Nivoitra io nandritra ny fihaonan’i Andry Rajoelina sy ry zareo ao amin’ny UCTU tao Ambohitsorohitra omaly tolakandro. Ny zokiolona sy ny mpianatra no handoa ny 300Ar fa ny sarambabem-bahoaka kosa dia 400Ar. Asa moa na hanao ahoana ny fomba hampiharana izany fepetra izany, satria raha mpianatra fotsiny, ohatra, dia hatrany amin’ny garabola tonga eny amin’ny anjerimanontolo no tokony ho voakasik’izany. “Carte d’identité scolaire” ve no takian’ny resevera sa inona, ary raha mpianatra eny amin’ny anjerimanontolo ilay mpandeha ? Hatoky ve ny resevera fa mbola mpianatra tokoa ilay mpandehany ? Misy efa lehibe mantsy ny mpianatra eny, indrindra ny amin’ny dingana fahatelo, na “3e cycle”.

Ny amin’ireo zokiolona, “karatra maitso”, izay tsy ny rehetra no manana azy ve no mason-tsivana sa inona ? Dia ahoana koa ny amin’ireo tsy an’asa, izay maro be tokoa vokatry ny fanonganam-panjakana, raha mba mivoaka ny trano hitady asa ka mampiasa taksibe ? Ahiana hiteraka savorovoro vaovao indray ity fanapahan-kevitra ity. Ny loza aza dia mety hampirongatra ny tsy fandriampahalemana.

JD Britto

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • METFP,
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Poste budgétaire 2023-2025

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Hamboarina ny fefiloha

  • Niakatra fitsarana
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

noho ny afera « Boeing »

  • Fikojakojana ny
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

“décanteur Pulsator II” Mandroseza

  • Sehatry
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

ny angovo avy amin’ny masoandro

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

Hijery ny tohiny
FTT