Lasibatry ny mpangalatra fiara indray ny mini-bus Mercedes Sprinter ankehitriny ka ireny manao asa fitaterana taksibe ireny indray no matetika tratran’ny fandrika.
Omaly hariva dia hita teny amin’ny kaominin’i Masindray teny Alasora ny vatana mangatsiakan’ilay mpamily izay tsy hita niaraka tamin’ny fiara efa ho dimy andro lasa izay, araka ny fanazavan’ny zandary. Zotra 165 mampitohy an’Androhibe sy Anosibe ity very ity. Nisy olona naka io fiara io mba hofaina ka izay no nahatonga ilay fiara lasa tany an-kodahoda. Novonoina ilay mpamily dia nariana ny razana. Nisy mpanampy niaraka taminy moa ity saofera ity saingy tsy mbola hita hatramin’izao. Ilay fiara Sprinter koa tsy mbola hita. Araka ny fanazavan’ny mpitandro ny filaminana anefa dia efa misy olona nosamborina ahiana ho nahavita izao resaka halatra sy vono olona izao. Maro mpaniry tokoa ny fiara Sprinter ka izany no mampirongatra ny fangalarana azy io. Maro ihany koa ny mitady ireo kojakoja fanolo momba azy ka vao mainka maha be ny mpangalatra dia avy eo ravana, hoy hatrany ny loharanom-baovaon’ny mpitandro ny filaminana.
Andry Ratovo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.