Taksibe iray mampitohy an’Ambohijatovo amin’Alasora Ambodivondava no nivadibadika teny Miadana hiditra an’Ambodivondava ny sabotsy teo, tokony ho mitataovovonana.
Raha araka ny fanazavana azo dia nilaozan’ny tsindry hisatra ilay taksibe, nefa mbola feno mpandeha tao anatiny. Nandona taksibe iray nifanena taminy izy saingy tsy nijanona fa mbola nananika fefim-pasana ary dia nivadika. Vokany, mpandeha miisa 12 no indray naratra, ka zazakely iray no tena voa mafy tamin’izy ireo ary nifamonjena. Nisy vehivavy iray mitondra vohoka ihany koa namoy ny ainy. Namonjy mpitandro ny filaminana avy hatrany ny mpamilin’ilay fiara taorian’ny loza.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.