Tsy hampakatra ny sarandalana aloha ato ho ato ny Fivondronamben’ny kaoperativa mpitatitra eto Iarivo (UCTU), fa mbola miandry ny fampanantenana nataon’ny fanjakana ny amin’ny hanomezana fanampiana 12 miliara Ariary ny mpitatitra,
fanonerana amin’ny elanelam-bidy nateraky ny fiarakan’ny vidin-tsolika eo anelanelan’ny volana novambra 2016 sy ny aprily 2017. Tsy mbola voaray anefa io vola io hatramin’izao. Nivoitra io nandritra ny fihaonan’ny Ben’ny tanànan’Antananarivo Renivohitra Lalao Ravalomanana tamin’ireo mpitatitra mivondrona ao amin’ny UCTU notarihin’ny Filohany Andriambinitsolomora Bernardin, izay tonga niarahaba ny Ben’ny tanàna noho ny fahatrarana ny taona 2017. Nohamafisin’ny roa tonta nandritra ny fihaonana fa ilaina ny fifanatonana sy ny fiaraha-miasa hampandrosoana ny fitaterana eto an-drenivohitra. Araka ny fampahafantarana nataon’ny Filohan’ny UCTU Andriambinitsolomora Bernardin dia miisa 3 500 ny taksibe miasa eto an-drenivohitra kanefa ny fiara madinika mahatratra dimy hetsy. Nambarany fa hanatsara ny kalitaon’ny asany ireo kaoperativa mpitatitra sady hikajy ny tontolo iainana. Momba ny fitohanan’ny fifamoivoizana dia raharahan’ny rehetra ny famahana io olana io, hoy ny mpitatitra.
Fa tonga niarahaba ny Ben’ny tanànan’Antananarivo Lalao Ravalomanana noho ny taona vaovao 2017 ihany koa ny dorkasy Foibe FJKFM. Nivoitra tamin’ny fihaonana fa tsy afa-misaraka ny fitantanana sy ny finoana. Matoa misy ny olona tsy manara-dalàna dia noho ny tsy fahafantarany an’Andriamanitra koa ilaina ary tsy maintsy atao ny fitoriana ny Tenin’Andriamanitra, indrindra ho an’ny mponin’Antananarivo araka ny nambaran’ny Filohan’ny dorkasy foibe FJKM ny Mpitandrina Randriamanana Valimbavaka.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.