Miisa 15.772 ireo naratra ary 17 ireo namoy ny ainy raha toa ka 600 ireo olona tsy manan-kialofana tsy fidiny vokatry ny fandalovan’ny rivodoza Eliakim teto Madagasikara ny faran’ny herinandro teo. Tena voa mafy ny ilany avaratra sy atsinanan’ny nosy.
Tao amin’ny faritra DIANA no nahitana traboina betsaka indrindra satria nahatratra 9511 ary tafiakatra 9 no isan’ny maty. Tany amin’ny faritra Analanjirofo kosa dia tafiakatra ary 393 be izao ny trano rava tanteraka ary tena henjana ny fiakaran’ny rano izay nanimba zavatra maro ankoatra ny trano fonenana. Nitsidika ny mponina tany amin’ny faritra DIANA iny omaly, indrindra fa ny tao Ambilobe izay tena voa mafy satria lasa mitoka-monina noho ny fahatapahan’ny lalana ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina sady nitondra fanampiana mba ho fanavotana ny mponina hiverina amin’ny fiainany amin’ny andavanandro. Nankahery ireo mponina tany an-toerana ny filoha ary nampatsiahy fa tena ilaina ny fifanampiana mba hahafahana miharin-doha. Hiezaka hamerina amin’ny laoniny faran’izay haingana indrindra ny fiainan’ny mponina ny fitondram-panjakàna, hoy ny filoha, ary ao anaty firaisankina no hanatanterahana an’izany. Ho fanampiana vonjimaika voalohany ho an’ny mponin’Ambilobe dia nivatsy vary 400 gony, voamaina 200 gony ary tafo fanitso 1 000 isa ny filoham-pirenena.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.