Actualités

Takaitra navelan’ny rivodoza AVA Mpianatra roa no namoy ny ainy, 152 ireo sekoly simba


  • Alarobia 10 Janoary 2018

Tena namela takaitra goavana teto amintsika tokoa ilay rivodoza AVA farany teo iny.

Mpianatra roa vavy  mantsy no lasan’ny rano ka namoy ny ainy tany  amin’ny distrikan’i Vangaindrano, mpianatra ao amin’ny CEG Sandravinany, ZAP Sandravinany, fari-piadidiam-pampianaran’i Vangaindrano. Ankoatra izay dia sekoly miisa 152 no voakasika, miparitaka amina fari-piadidiam-pampianarana miisa 20. Ny 74 tamin’ireo dia tany amin’ny Faritra Analanjirofo avokoa raha teto amin’ny Faritra Analamanga ny fito. Nahatratra 128 ireo efitranon-tsekoly simba tanteraka vokatr’izany, dimy ireo lasa hitoeran’ny traboina, 209 ireo nahitana fahasimbany ny am-pahany tamin’ny efitran-tsekoly raha 130 ireo sekoly naboridan’ny rivotra tanteraka ny tafony. Na izany aza efa misy ny ezaka tanterahin’ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena amin’ny fanarenana ny fotodrafitrasa amin’izao hahafahan’ny mpianatra miverina mianatra haingana. Anisan’izany ny fandefasana misionera any amin’ireo fari-piadidiam-pampianarana tena nahitana olana goavana  toy ny ao Toamasina I, Fenoarivo Atsinanana, Brickaville ary Manakara. Mbola nanamarika moa Atoa Tsitoara Serge, talen’ny fampitam-baovao eo anivon’ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena omaly fa tsy misy ny fiovan’ny daty hanatanterahana ny fanadinam-panjakana, hatramin’ny omaly  nitafany tamin’ny mpanao gazety.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT