36 ireo namoy ny ainy, 25 tsy hita popoka, 20 462 voatery nafindra toerana ary 136 005 traboina. Izay no tarehimarika farany navoakan’ny BNGRC vokatry ny fandalovan’ny rivodoza AVA.
Ny faritra Atsinanana, Analamanga ary Vatovavy Fitovinany no nisy fahavoazana goavana indrindra sy nahitana traboina betsaka indrindra. Mbola manohy hatrany ny fidinana ifotony sy fijerena ny zava-misy amina faritra maro manerana ny nosy ny ekipan’ny BNGRC, ampiasaina ny fiaramanidina sy ny drone ary ny elikoptera amin’izany ho an’ireo faritra kizo tsy tongan’ny fiara. Mitohy hatrany ny famonjena sy fanampiana ireo traboina sy niharam-boina rehetra manerana an’i Madagasikara. Eo amin’ny resaka fanampiana indray dia vary milanja 156 150 kg, legioma 72 100 kg, miampy karazan-tsakafo hafa narahan’ireo fitaovana ilaina ao an-dakozia sy ny trano lay, lamba firakotra, lay misy odimoka maro be no efa nozaraina tamin’ireo traboina miparitaka manerana ny nosy.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.