Mafana ny toe-draharaha. Ny eo tsy voavaha, ny hafa misosoka indray ! Namoaka fanambarana ny sendika sy ny fianakaviamben’ny mpiasan’ny Tahirimbolam-panjakana halina fa
«ho tohin’ny fanambarana nataon’ny mpiasan’ny Tahirimbolam-panjakana momba ny tsy fanarahan-dalàna izay kasain’ny sasany hotanterahana eo amin’ny fitantanana ny volam-bahoaka, ny fijoroany amin’ny fiarovana izany sy ny fampiharana ny lalàna eo amin’ny fitantanana, ny fiarovana ny soatoavina sy ny ezaka efa vita dia nanapa-kevitra ny mpiara-miasa rehetra fa hanakatona ny biraon’ny Tahirimbolam-panjakana manerana ny Nosy manomboka ny alakamisy 12 martsa 2015».
Nangonin’i Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.