Hatokan’ny Tahirimbolam-panjakana ho Andron’ny firaisankina ity anio zoma 27 martsa ity, ho fanasoniavana ny fehin-kevitra tapaka teo amin’ny mpitantana, ny mpiara-miasa ary ny sendika rehetra ary koa fankasitrahana ny Tale jeneraly teo aloha Robimanana Orlando sy ho fandraisana ny Tale jeneraly vaovao
Feno Jean Pierre. Lanonana izay hotontosaina eny Ambohimalaza eny. Hikatona amin’ny 11 ora ny biraon’ny Tahirimbolam-panjakana rehetra manerana ny Nosy anio, noho ireo anton-javatra ireo araka ny taratasy nosoniavin’ny Tale jeneraly Feno Pierre. Voatery hihafy izany ireo manan-draharaha ao amin’ny Tahirimbolam-panjakana anio tolakandro, fa zoma mahafinatra ny fianakaviamben’ny mpiasa e !
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.