Actualités

Tahirim-bola iraisam-pirenena Nametraka fepetra hafa indray


  • Alakamisy 04 Jona 2015

Ny fiandohan’ny herinandro teo dia nihaona tamin’ny Jeneraly Jean Ravelonarivo, praiminisitra lehiben’ny governemanta ny solontena maharitry ny tahirim-bola iraisam-pirenena eto

 

 Madagasikara  Atoa Imam Patrick ka ny resaka fanatsarana ny fampidiran-ketra sy ny fanatsarana ny fitantanam-bolam-panjakana ary ny  fanajana ny  fahaleovantenan’ny  banky foibe sy ny  fampitomboana ny  renivola  miasa ao no tena niompanan’ny  resaka. Ambonin’izay  dia voaresaka ihany  koa ny  famatsiana ny fananganana sy fanatsarana fotodrafitrasa  eo amin’ny herinaratra, fambolena ary ny fitaterana.  Nanomboka  tamin’ny 26 mey ka hatramin’ny omaly 3 jona  ity dinikasan’ny  tahirim-bola iraisam-pirenena  eto amintsika ity. Miompana amin’ny  fandrindrana  tsara ny politika ara-ekonomikan’i Madagasikara ny asa mba hahatafiditra antsika ao anatin’ilay antsoina hoe “Facilité Elargie de Crédit” na FEC izay mety  hahazoantsika vola 260 tapitrisa  dolara raha voahaja  avokoa  ireo voalaza ireo.

Andry Ratovo

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT