Tafaverina an-tanindrazana omaly maraina rehefa avy niatrika ny fivoriambe faha-67-n'ny Firenena Mikambana ny filohan'ny tetezamita Andry Rajoelina.
Nanasonia fifanarahana iraisam-pirenena miisa roa izy, dia ny fanafoanana ny fanamelohana ho faty sy ny fiarovana ny zon'ny ankizy. Nihaona tamin'ny Sekretera jeneralin'ny Firenena Mikambana, niresaka fifidianana ny tenany. Tsy ny avy any ivelany no mibaiko ny filatsahan-kofidiana, fa ny lalàna manankery eto amin'ny firenena ihany no mametra izany. Efa manana tondrozotra eken'ny eto an-toerana sy ny any ivelany isika.
Tsy misy firenena afaka manery firenena iray hafa ny amin'ny hoe Rakoto na Rabe mahazo na tsy mahazo mirotsaka hofidiana. Fanitsakitsahana ny fiandrianam-pirenena ny fanerena ary tsy azo ekena izany, hoy i Andry Rajoelina. Karazana valin-kafatra ho an'ny Amerikanina izay tsy mankasitraka ny filatsahan-kofidian'ireo izay nahita tombontsoa tamin'ny fanonganam-panjakana izany fanambaran'ny filohan'ny tetezamita izany, ary toa manamafy hatrany fa ho kandida ny tenany. Tany Frantsa, nijery fitaovana ho an'ny foloalindahy, helikoptera mahazaka olona 14 na 26 izy. Mbola hadinika ireo teknisianin'ny foloalindahy, ho any ivelany tsy ho ela izy ireo hijery sy hividy ilay fitaovana. Fanaraha-maso avy amin'ny zanabolana, maro ny fifanarahana azo atao any ivelany, afaka miasa ato anatin'ny herinandro vitsivitsy izy io, hanamafisana hatrany ny ady amin'ny dahalo.
Mazava izany eto aloha fa any Frantsa no hividianana ireo fitaovana sy fitaovam-piadiana hampiasain'ny foloalindahy amin'ny ady amin'ny dahalo ary mety any koa no misy ilay orinasa tsy miankina hokaramain'ny fanjakana Malagasy amin'ny fampiasana ny zanabolana hanarahan-dia ny fihetsiky ny omby eto Madagasikara. Zon'ny antoko na vondrona politika ny manolo ny olona natolony, tsy maintsy hajaina anefa ny voasoratra ao amin'ny tondrozotra, ny lahy sy ny vavy ary ny faritra niaviana. Momba ny fiverenan'ny filoha teo aloha kosa dia nilaza ny filohan'ny tetezamita fa mbola hodinihana izany, satria misy ny zavatra tsy fantatra mety hitranga, raha ho avy eto izy.
Misy delegasiona halefan'ny SADC eto handinika ny mahamety na tsia izay fodian'i Marc Ravalomanana izay. Efa karazana filazana an-kolaka ihany koa izany fa tsy mbola mankasitraka velively ny fiverenan'ny filoha teo aloha eto Madagasikara i Andry Rajoelina, ary tsy maika amin'ny fanadihadiana tokony hataon'ny SADC sy ny mpitandro filaminana Malagasy. Nivily nijery ny firosoan'ny asa fanorenana ilay kianjan'ny Rugby teny Andohatapenaka moa, omaly ny filohan'ny tetezamita ka nanambara fa ho vita afaka roa volana ny asa ary dia hotokanana amin'ny alalan'ny fety be ny "Temple du Rugby".
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.