Actualités

Tafika Malagasy Hanao sarinady miaraka amin’ny Amerikanina


  • Alarobia 25 Novambra 2015

Raha toa ka ny sarinady niaraka tamin’ny tafika Frantsay no nahazatra ny miaramila Malagasy hatramin’izay dia hiova izany manomboka amin’ny herintaona.

 

Nankatoavin’ny filankevitry ny governemanta natao omaly ny hanatanterahana ny hetsika sarinady mitondra ny anarana hoe  « AFRICA ENDEAVOR »  izay hiarahana amin’ny tafika amerikanina amin’ny alalan’ny Usa africa command (USAFRICOM). Ny 22 ka hatramin’ny 26 aogositra 2016 no voatondro fa hanatanterahana io sarinady io. Voalaza moa fa ny mpikarakara, izany hoe ny Amerikanina, no hiantoka ny lany rehetra mandritra ity hetsika ity. Ho an’ny mpanara-baovao dia tsy tongatonga ho azy izao fa tohin’ny lôjika tamin’ny fahatongavana manamboninahitra Amerikanina nifanesisesy eto amintsika tato anatin’ny roa taona ary manaporofo ihany koa fa miezaka ny mifehy ny faritry ny ranomasimbe Indianina izay tanàna filalaovan’ny Frantsay ny be kintana.

Nangonin’i RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

  • Ny Antsa Rakotobe
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Betsaka ny lesona

  • Saika hanatitra
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

kojakojan-dreniny

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

Hijery ny tohiny
FTT