Nisy akony teny anivon’ny tafika ny filazana nivoaka tao amin’ny fotoam-pitsarana ny raharaha 7 febroary. Araka ny fantatra mantsy dia nisy tamin’ireo mpitsara no nanome tsiny mafy ny lehiben’ny Etamazaoro jeneralin’ny tafika malagasy (Cemgam), ny jeneraly Ndriarijaona André.
Nivoitra tamin’izany fa manahirana mihitsy vao mahazo ny «ordre de poursuite» ny miaramila avy eny Andohalo. Voatsikera ihany koa ny fifanarahana teny Ivato nandritra ny «Assise militaire» izay nifanarahan’ny zandary sy ny miaramila fa aoka izay ny fisambotsamborana eo amin’ny samy miaramila. Ny zandary tsy afa-misambotra miaramila ary ny miaramila ihany koa tsy hanao izany. Tonga hatrany amin’ny hoe na dia efa jiolahy ary ve ny miaramila na ny zandary dia tsy mbola azo samborina satria mialokaloka ao anatin’ny toby miaramila. Nanoloana izay tranga izay dia nisy akony izany teo anivon’ny Tafika. Fantatra mantsy fa nisy ny fivoriana maika teny Mahazoarivo teny, nandraisan’ireo tomponandraikitra eo anivon’ny zandary sy ny miaramila anjara. Mandeha ary ny feo fa efa misy ny eritreritra hanolo ny Cemgam. Araka ny loharanom-baovao dia tsy eto an-drenivohitra ity farany fa mamita iraka any Antsiranana any. Misy ifandraisany amin’ny politika ihany ity resaka ity satria raha nalaza tao ho ao ny hanesorana ny praiministry ny FAT dia heno fa misy andiana miaramila mivonona ny hiaro azy tsy hialany. Asa na mifandray amin’izay satria araka ny loharanom-baovao ihany dia tsy dia mitovy hevitra loatra ity praiministry ny FAT ity sy ny Cemgam. Inona daholo no dikan’izany ? Ho hita eo ny tohiny.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.