Raha teo am-piandrasana fatratra ny vokatr’ilay fitoriana nataony mikasika ilay fanodinkodinam-bola nisy teo anivon’ny Sygmma ( Syndicat general Maritime de Madagascar) ireo birao mpikambana ao anatin’izany nanomboka ny volana desambra lasa teo dia zavatra hafa mihitsy no nitranga.
Nampidirina am-ponja vonjimaika any amin’ny fonjaben’Ambalatavoahangy Toamasina, ny 30 desambra lasa teo ny sekretera jeneraliny lefitra Andriamatoa Basola Ful Soma izay nitarika izany rehefa nosamborina tany an-toerana ny 29 desambra lasa teo ihany. Antony nanenjehana azy ny filàzana fa tsy tantsambo intsony izy nefa mbola mitondra io anarana io ihany. Efa tsy tokony ho tantsambo intsony, hono, mantsy ity sekretera jeneraly lefitra eo anivon’ny SYGMMA ity taorian’ny tsy naha mpikambana azy teo anivon’ny birao intsony, birao izay tsiahivina fa niteraka olana goavana teo amin’ny sekretera jeneraly sy ny tenany nananganana azy. Mbola mihidy any Toamasina Andriamatoa Basola Ful-Soma izay nambaran’ny mpisolovava azy fa tsy hita hatramin’ny dosieny. Nanomboka ny 6 janoary lasa teo no efa tokony ho niakatra fitsarana ny raharaha. Manoloana io tranga io dia manao antso avo amin’ny fitondram-panjakana Ramatoa Haysal Bakaraly vady andefimandrin’Andriamatoa Basola Ful Soma mba hijery akaiky ny raharaha. Tsy marim-pototra mantsy ny fitoriana natao tamim-badiny fa fanendrikendrehana fotsiny ihany, hoy izy.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.