Hanatsara ny kalitaon’ny tolotra ho an’ny mpanjifa
Nahatratra 61 pejy ilay fifanarahana ara-barotra eo amin’ny Symbion Power LLC sy ny JIrama mahakasika indrindra ny fividianan’ny Jirama ny herinaratra vokarin’ity orinasa Amerikanina ity ao Mandroseza. 40 MW ny herinaratra
nifanekena fa hovokarina ary ny Jirama no hividy manontolo azy io, miantoka ny solika lany hanodinana ny milina sy miandraikitra ny fitsinjarana io herinaratra io eto Antananarivo. Voafaritra mazava fa varotra no atao ary misy ny zavatra ifaneken’ny roa tonta. Tsy maintsy atao, ohatra, ny andrana mialoha ny tena hampihodinana ilay toeram-pamokarana sy hizarana ny herinaratra. Efa nanamafy ny minisitry ny angovo Horace Gatien fa ho mora kokoa noho ny hividianan’ny jirama herinaratra amin’ireo orinasa tsy miankina ankehitriny ny hividianany ny herinaratra rahatrizay miasa eto ny Symbion Power. Ampatsiahivina fa 692 Ar ankehitriny no hividianan’ny Jirama ny 1Kwh ary varotany amin’ny mpanjifa 372 Ar indray izany avy eo ; 320 Ar isaky ny Kwh izany no fatiantoka ho an’ny Jirama. Manodidina ny 400 Ar kosa no hividianan’ny Jirama ny 1Kwh any amin’ny Symbion Power, izay efa mampihena be io fatiantoka io. Ankoatra izay dia havaozina ny ao Mandroseza, hentitra sy manaraka ny fenitra iraisam-pirenena ny asa atao ao sy ny fikojakojana ary ho lova ho an’ny taranaka izany any aoriana. Misy hatrany moa ny resa-bola amin’ny maha fifanarahana ara-barotra azy ity saingy efa nodinihana tsara mba hahazoan’ny roa tonta tombontsoa ary indrindra hahatsara ny kalitaon’ny tolotra ho an’ny mpanjifa sy hanamaivana ny fahasahiranan’izy ireo izany, araka ny fanazavan’ny tompon’andraikitra.
Nangonin’i RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.