Actualités

STAR Tour Mahajanga Entina hamalifaliana ny mpanao vakansy


  • Zoma 04 Aogositra 2017

Anisan’ny tanàna iray tena be mpiala sasatra tokoa rehefa fotoam-pialan-tsasatra lehibe tahaka izao ny ao an-drenivohitr’i Mahajanga.

Manaporofo izany ny hafenoan’ny trano fandraisam-bahiny rehetra any an-toerana ankehitriny. Mba ho fanomezana fahafaham-po ireo mpiala sasatra ireo ary,  indrindra fa ny fianakaviana  dia hanatanteraka hetsika goavana any an-toerana ny vondrona Star sy ny kaominina ambonivohitr’i Mahajanga  manomboka ny 18  Aogositra ho avy izao, haharitra telo andro. Toerana roa ao Mahajanga no hanaovana ny hetsika dia ny eny amin’ny Grand pavois sy ny Bord Mahajanga toerana tsy zoviana amintsika intsony.  Mpanankato maro no ho avy hamalifaliana ireo mpiala sasatra mandritra izany toy an’i Jaojoby izay havanana manokana amin’ny gadona salegy, i Rak Roots, Nina’s raha tsy latsa-danja amin’ireo ny tarika Ambondrona. Nambaran’ny Ben’ny tananan’i Mahajanga Mokhtar  Andriantomanga nandritra izany fa  manodidina ny 50.000 eo ho eo ireo olona vinavinaina ho avy hanotrona io lanonana io. Ho an’ny vondrona Star kosa dia ho hentitra ny fitandroana ny fandriampahalemana satria dia hampiasa Emmoreg mihitsy izy ireo ankoatra ny olon-tsotra sivily. Hanohana akaiky izany ny fikambanana Vokovokomena Malagasy  izay handray an-tanana manokana ireo olona tojo tsy fahasalamana tampoka mandritra ny lanonana.

Pati


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

  • Gérard Ramamimampionona
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Milaza hoe te hanavao izao ny

  • Afera sinoa 11,
  • Talata 27 Oktobra 2026

olona ambony voatonona

  • Tale mpanatanteraky
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny ONTM vaovao

  • FIZAHANTANY MATIHANINA
  • Talata 27 Oktobra 2026

Tompon’andraikitra maromaro

  • MALOTO
  • Talata 27 Oktobra 2026

NY RIVOTRA ETO ANTANANARIVO

Hijery ny tohiny
FTT