Tsy nanadino ireo zaza kamboty tezaina eo anivon’ny ivontoerana “SOS Village d’Enfant” Mangarano Toamasina ny Rema Tiop Top Tanandava Tsararivotra, notarihin’ny tale Anthony Knott ka nanolotra fanomezana nahafahan’izy ireo nilanonana.
Samy nahazo ny anjarany avokoa na ny kely na ireo lehibe. Hatramin’ny taona 2012, herintaona taorian’ny nijoroany tao Toamasina dia nisy hatrany ny fanampiana ara-tsakafo sy ara-pitaovana ary ara-panabeazana ireo ankizy kamboty tezaina eo anivon’ny SOS Village d’Enfant. Tamin’ity taom-pianarana 2016-2017 ity dia nanolotra “kits scolaires” sy kidoro ary solosaina, ny Rema Tip Top. Tamin’ny taon-dasa nifanojo tamin’ny fankalazana ny faha-25 taonan’ny ivontoerana dia nitsidika an’Antananarivo ny ankizy ka niantohan’ny orinasa manontolo ny fandaniana.
Hitohy hatrany ny fanampiana ataonay ity ivontoerana ity, hoy Rabarivelo Christian talen’ny fitantanan-draharaha sy ny ara-bola ny Rema Tiop Top satria ny tanjona dia ny hananan’ireo ankizy kamboty ireto hoavy tsara sy hitondrana tsiky ho azy ireo mandritra ny fitaizana azy ireo eo anivon’ny “SOS Village d’Enfant”.
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.