Ny minisitry ny asam-panjakana, Maharante Jean de Dieu, mihitsy omaly no nilaza fa nitaky ny hampitomboana avo 10 heny, farafahakeliny,
ny solona hofan-tranon’ireo mpiasam-panjakana izay misitraka izany, nandritry ny kabariny omaly nandritry ny fifampiarahabana nahatratra ny taonan’ny fianakaviamben’ny mpiasam-panjakana teny amin’ny Madagascar espace Alasora. 14.000 ariary amin’izao fotoana izao io solona hofan-trano io ary araka ny fanazavan’ny minisitra dia efa nanaiky sy vonon-kanampy amin’izay fanondrotana izay ny filoham-pirenena saingy mangataka kosa ho amin’ny fotoana maha metimety kokoa ny toe-bolam-panjakana. Nitatitra ny zava-bitan’ny minisitera tamin’ny taon-dasa moa ny minisitra ary nasongadiny ny fitsirihana tampoka ireo orinasa eto an-toerana tsy manaja loatra ny zon’olombelona. Hisy ny sazy hampiharina amin’izy ireny, raha ny fanazavana, ary tsy ekena ny fanandevozana satria manana ny fiandrianany ny firenena. Hitohy izay fitsirihana izay amin’ity taona ity. Ankoatra izay dia hisy ny fandraisana mpandraharaha sivily miisa 45, mpandraharahan’ny fonja 20, injenieran’ny fandrefesan-tany 30, mpisehatra diplaomatika 20 ary mpanara-maso ny fadintseranana 15 sy mpitsirika ny fadintseranana 25.
Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.