Actualités

Solombavambahoakan’i Madagasikara Firy marina no mba efa nahavita ny tatitra amin’ny vahoaka ?


  • Alarobia 02 Septambra 2015

Mangina tanteraka ny tanŕna eny amin’ny Antenimieram-pirenena eny Tsimbazaza, zara raha misy andiany solombavambahoaka mivezivezy

 

. Mangina satria nilaozana mpibaiko amin’ny ankapobeny fa lasa namita iraka any ivelan’i Madagasikara niaraka amin’ireo mpiara-miasa aminy vitsivitsy ny filohan’ity andrim-panjakana ity. Ny mpiandry tanàna mpisolo toerana no tazana mivoaka mahalana ny biraony mamonjy toeram-pisakafoana na mivoaka any ivelany vetivety. Matetika moa dia ny filoha lefitry ny Antenimieram-pirenena Faritany Fianarantsoa na ny filoha lefitry ny Antenimieram-pirenena Faritanin’i Toamasina no misolo toerana ny PAN rehefa tsy eo tahaka izao izy ka miandraikitra ny fanaovan-tsonia an’ireo asa maika tsy maintsy ilana izany amin’ny ankapobeny. Raha ny zava-misy fantatra moa dia mbola any an-tanànany miandry fiantsoana fivoriana tsy ara-potoana handinihana an’ilay volavolam-panitsiana ny tetibolam-panjakana 2015 izy ireo saingy azo heverina fa tsy mbola ato ho ato izany satria ny praminisitra tokony hitarika ny filankevitry ny minisitra handraisana fanapahan-kevitra amin’izany aza lasa namita iraka any Frantsa any koa. Ny fanontaniana mipetraka amin’ny maro izao dia ny hoe firy tamin’ireo solombavambahoaka 151 moa izao no mba efa nahavita ny tatitra tokony hataony amin’ny vahoaka rehetra andro tsy misy fivoriana tahaka izao ? Sa tena variana tamin’ny fanarahana fifidianana sy fiandrasana ny valiny fotsiny hatramin’izao ny rehetra ?

 

Ntsoavina Evariste


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

  • GĂ©rard Ramamimampionona
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Milaza hoe te hanavao izao ny

  • Afera sinoa 11,
  • Talata 27 Oktobra 2026

olona ambony voatonona

  • Tale mpanatanteraky
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny ONTM vaovao

  • FIZAHANTANY MATIHANINA
  • Talata 27 Oktobra 2026

Tompon’andraikitra maromaro

  • MALOTO
  • Talata 27 Oktobra 2026

NY RIVOTRA ETO ANTANANARIVO

Hijery ny tohiny
FTT