Actualités

Soloky avo lenta Voasambotra ilay zandary sandoka sady mpanao vola sandoka


  • Alarobia 13 Mey 2015

Saron’ny mpitandro ny filaminana ny alakamisy lasa teo ny lehilahy iray sady misandoka ho zandary no mpanao vola sandoka. Nitonona ho zandary avy amina toby lehibe iray eto Antananarivo ny tenany raha nipetrapetraka tany Mandoto izy teo aloha

 


     . Misoloky olona amin’ny fampiasana ny ankajona Zandary ity jiolahy ity ary misy grady maha Adjidà ny akanjo fampiasany. Tamin’ny alalan’izany no nisolokiany tovovavy iray izay niarahany mihitsy ka nampanantenainy fa halainy vady. Ny alakamisy 7 mey lasa teo no daty voatondro fa hanaovana ny vodiondrin’izy ireo tany amin’ny toeram-piavian-drazazavavy izay somary miala an’i Mandoto. Noho ny fandodonany dia voatery nitrosa vola 1 200 000 ariary taman’olona ny ray aman-drenin’ilay zazavavy mba hahalavorary ny fampakaram-bady. Natory tao amin’ity fianakaviana ity izy sy ny namany iray ny alin’ny alarobia kanjo rehefa raiki-tory avokoa izy mianakavy dia nangalarin’ity saika ho vinanto sy ny namany avokoa ilay vola notrosaina.”Tsy nisy nahatsikaritra io ny tao an-trano raha tsy izy efa nanjavona nefa ny olona niandry azy ireo hanao ny fomba”, hoy ny loharanom-baovao. Nosavaina ny entany izay navelany tao amin’ireo ho rafozany kanjo efa fatin-damba sisa no mody navelany tao anaty kitapo. Nitondra ny raharaha teo anivon’ny zandary avy hatrany ny fianakaviana voasoloky ka ny andron’io alakamisy io ihany dia natao  ny fikarohana rehetra. Tsy lasa lavitra dia tratran’ny zandary ilay mpisoloky. Nandritra ny fisavana natao azy tao aminà hotely iray ao Antsirabe no nahatrarana kazaram-pitaovana maro voalaza fa fanaovana vola sandoka. Niaiky ny fampiasany ireo fitaovana ireo ity lehilahy ity ary fantatra fa nisandoka ho zandary tao Antsirabe izy hatramin’ny fiandohan’ny taona 2015. Tanana vonjimaika any am-ponja izy amin’izao fotoana, karohina kosa ilay namany izay tafaporitsaka nandritra ny fisamborana azy ireo teo am-pisotroana toaka ny alin’ny alakamisy teo.

 Caïus R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT