Nahoraka be tato ho ato ny mikasika ny fitrandrahana solika eto Madagasikara. Ny fitsirihana solika no tena marina kokoa, satria tsy mbola tena mamokatra solika tsy akory isika fa mbola ao anatin’ny fanadihadiana ho amin’izany ireo orinasa vahiny tonga eto, hatramin’ny 2004.
Raha ny fantatra dia miditra amin’ny dingana faharoa io fitsirihana io, ka efa an-dalam-pahatanterahana ny fandavahana mba hamantarana ny habetsahan’ny solika misy eto, ny firafitr’izany solika izany ary ireo toerana tena misy azy. Ny atao hoe «huile lourde» na menaka mavesatra moa no tena trandrahana eto, ka i Bemolanga no toeram-pitsirihana sy fitrandrahana efa ahitana asa mandroso indrindra amin’izao fotoana. Ny orinasa frantsay Total no miasa ao. I Tsimiroro, izay iasan’ny Madagascar oil kosa no laharana faharoa amin’ny fandrosoan’ny asa amin’ity fitsirihana solika eto Madagasikara ity ankehitriny samy any amin’iny ilany andrefan’ny nosy iny avokoa ary ao anatin’ny faritanin’i Mahajanga no misy ireo toerana roa ireo. Mifandraika amin’ity solika ity ihany dia mandeha ny resaka amin’izao fotoana fa misy mikasa ny hanangana banky eto amintsika mihitsy ireo orinasa vahiny matanjaka mba hahafahany mampiditra ny volany. Vola be tokoa mantsy no ilaina. Vonona ny hampiasa vola an-jatony tapitrisa dolara ireo kaompania vahiny matanjaka ireo, na dia mbola fanadihadiana sy fitsirihana fotsiny aza no atao amin’izao fotoana.
Mety ho any amin’ny taona 2019 any mantsy, araka ny fandinihan’ny manampahaizana vao tena hamokatra solika i Madagasikara. Araka ny fandinihana ihany anefa dia anisan’ireo manana tahirin-tsolika be indrindra maneran-tany isika. Efa nisy mihitsy moa tamin’ny herintaona aza dia efa nisy mihitsy ny tarehimarika nivoaka tany Etazonia tany fa toa hoe manakaiky ny 16 miliara baril ny tahirin-tsolika eto Madagasikara, raha toa ka hatrany amin’ny 35 miliara baril any ho any izany, any amin’ireo firenena arabo, izay efa notrandrahana hatramin’ny 1905 ka ho ritra afaka 30 taona eo, araka ny vinavinan’ny manampahaizana ihany. Azo antoka fa ity resaka solika ity no mahatonga ireo firenen-dehibe samy te hiara-hiasa amin’i Madagasikara, ary eo mihitsy moa ireo izay te hiverina hanjanaka antsika. Iaraha-mahita ihany fa manomboka lafo tato anatin’ny 1O taona, hatramin’ny nisian’ny asa fampihorohoroana tany Etazonia ny vidin’ny solika eo amin’ny tsena iraisam-pirenena ka efa mitsinjo sahady ny 50 taona manaraka amin’ny toerana na firenena ahitany angovo ireo firenena vaventy, indrindra fa i Frantsa izay tsy mba manana solika ao amin’ny taniny tahaka ny Amerikanina.
Mazava, araka izany, fa tsy ady ara-politika fotsiny fa ady ara-toekarena koa no misy eto Madagasikara, satria hiditra ao anatin’ireo firenena vao misondrotra ary mety hatanjaka ara-toekarena noho ny harena ankibon’ny tany misy ao aminy i Madagasikara, ka dieny mbola ao anatin’ny fitsirihana ireo tetikasa goavana dia efa manomboka mamandrika ny anjarany sy maka toerana tsimoramora ny firenena vaventy sasany, izay nahatsiaro tena fa voailika tao anatin’ny 6 taona. Mety anisan’ny vahaolana amin’ny krizy ny fifanazavana eo amin’io sehatry ny fitrandrahana ny harena ankibon’ny tany eto amintsika io, ary tokony hahafantatra ny marina rehetra momba izany koa ny Malagasy izay tompon’ny tany hitrandrahana azy.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.