Lasan-dRazanamahenina Serge, raim-pianakaviana iray ny loka tamin’ilay lalao Shell Extra Challenge, nokarakarain’ny orinasa Vivo Energy sy ny tobim-pivarotan-tsolika Shell.
Afaka omaly Alahady hariva no nanaovana ny lalao famaranana teny Iavoloha ho an’ny teto Antananarivo tamina halaviran-dalana 58 km ka namilian’ireo mpamily roalahy farany niatrika ny dingana famaranana nampiasa ilay fiara marika Suzuki Jimny. 2,52 litatra ny solika lanin’ity Raim-pianakaviana iray ity tamin’izany, tamina lalana mirefy 58 km. Solika maimaim-poana mandritra ny 12 volana no azon’ity raim-pianakaviana iray ity mitovy amin’ireo mpifaninana roa nivoaka ho mpandresy tany Antsirabe sy Toamasina. Hotanterahina ny 06 aogositra ho avy izao moa ny fifaninana farany ho an’ireo Raim-pianakaviana telo nivoaka ho mpandresy ireo ka izay mahay mamily mitsitsy indrindra no hityondra hody ilay fiara Suzuki Jimny vokarin’ny orinasa Sicam izay mpanohana akaiky ny hetsika.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.