Actualités

Solika ao Toamasina Mitohy ny varotra an-kalamanjana


  • Zoma 28 Desambra 2012

Tsy mbola nahavaha ny olana tao Toamasina ny famatsiana solika nataon’ny Galana ho an’ireo toby mpaninjara solika arakaraka ny kaomandiny avy nanomboka ny alarobia teo.

 Mbola hita hatrany ny filaharam-be amin’ireo toby sasany, ny ankamaroany dia tsy ny fiara na ny moto no entina milahatra, fa ireo “bidon” sy barika manga be ary “jerrican” mihitsy. Ireto fitaovana farany ireto no mahatonga ny risoriso “manara-penitra” mitranga ao Toamasina nanomboka ny alahady teo. Tsy misy idiran’ny tahirin-tsolika eo anivon’ny Galana ao Manangareza ny olana satria mbola maharaka ny filan’ny Malagasy ao anatin’ny iray volana sy tapany ny solika tonga ny tapaky ny volana desambra teo, fa ny kaomandin’ireo toby mpaninjara solika mihitsy no tsy maharaka ny mpanjifany, ny Galana rahateo tsy manaiky hanao trosa amin’izy ireo intsony, hany ka misy ny “pompistes” miray tendro amin’ny mpividy manao ny “bizina manara-penitra” ary ifampizarana ny tombony avy eo, toy ny hita tao Ambolomadinika.

Raha ny resaka nifanaovana tamin’ireo mpividy izany dia 3.600Ar no hamarotany ny iray litatra, avy eo amidy 5.000Ar amin’ny risoriso any an-dalam-pasika, 4.000Ar amin’ireo mpivarotra amoron-dalana ao Ankirihiry sy Ambolomadinika. Mitovy avokoa ny vidin’ny gazoala sy lasantsy amin’ny tsena antsisin-dalana. Atahorana hitohy io mandritra ny fetin’ny faran’ny taona, manomboka ny sabotsy hatramin’ny talata taom-baovao io, satria andro tsy hiasana ho fanomanana ny fety ny alatsinainy 31 desambra izao, izany hoe ny sabotsy izany no mahatonga kaomandy farany ireo toby mpaninjara solika.

 
Rakoutou
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • METFP,
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Poste budgétaire 2023-2025

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Hamboarina ny fefiloha

  • Niakatra fitsarana
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

noho ny afera « Boeing »

  • Fikojakojana ny
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

“décanteur Pulsator II” Mandroseza

  • Sehatry
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

ny angovo avy amin’ny masoandro

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

Hijery ny tohiny
FTT