Actualités

Sofia, Boeny, Betsiboka Tsy manaiky soloina PDS ireo Ben’ny tanŕna


  • Alatsinainy 27 Septambra 2010

Mbola tantara mitohy ny resaka fanoloana ireo Ben’ny tanŕna. Tsy manaiky lembenana mantsy ireo am-perinasa mbola maniry hirotsaka izay terena hiala ka PDS no hapetraka eo amin’ny toerany.

Ny fivoahan’iny fanapahan-kevitry ny FAT iny anefa no ela dia tonga ny valin-kafatra. Ny fikambanan’ny Ben’ny tanàna eto Analamanga no nanomboka izany tamin’ny alalan’ny famoahana fanambarana miaraka manohitra ny fanoloana azy ireo. Ny zoma sy sabotsy lasa teo dia nifamory ihany koa ireo Ben’ny tanàna sasantsasany tany amin’ny faritra Sofia, Boeny ary Betsiboka izay miray hevitra tanteraka amin’ireo namany avy eto Analamanga. Ho an’i Sofia manokana dia nanararaotra ny fivoriany niaraka tamin’ny tetikasa PROSPERER tao Antsohihy ireo Ben’ny tanàna handinihana ity raharaha ity ny zoma teo. “Tsy misy matahotra hiatrika vahoaka eto saingy tokony hazava kosa ny lalam-pifidianana. Takianay koa ny hamerenana ny lalam-pifidianana tamin’ny taona 2007 laharana faha-878 izay mahakasika indrindra ny «disponibilité». Araka izany dia lavinay ny fametrahana Pds”, hoy Rafidimanana Berthin, Ben’ny tanànan’i Befandriana sady sekretera jeneralin’ny fikambanan’ny Ben’ny tanàna ao amin’ny faritra Soafia, mpitondra teny. Am-polony ireo niara-nanapaka ity fehin-kevitra ity ary samy nanana solontena avokoa ny distrika rehetra.

 
Raha ny fanazavana azo ihany dia nomen’ireo namany tsy niatrika ny fivoriana alalana hisolotena azy izy ireo. Rahampitso talata moa dia mbola hisy ny fivoriambe hiarahan’ny Ben’ny tanàna rehetra avy eo anivon’ny Faritra izay tontosaina ao Antsohihy ihany. Ny sabotsy tolakandro indray kosa no nifamotoana ireo Ben’ny tanàna tao Boeny izay nisy 20 eo ho eo ary mitantana kaominina Ambanivohitra ny ankamaroany. Manohana ny fanaovana “disponibilité” iray andro mialoha ny fampielezan-kevitra ihany koa izy ireo. “Tsy mety ilay hoe : rehefa tiana esorina dia esorina ny olona voafidim-bahoaka. Tsy hisy fampandrosoana hanjary raha izany no atao. Aminay dia ny fametrahana ny fitsinjaram-pahefana marina no ilaina izany hoe omena fahalalana fahafahana sy fahaleovantena ny mpitantana ny kaominina ary tsy fiarovana tombontsoa velively no itenenana izany”, hoy ny Ben’ny tanànan’i Mahajanga II izay sady filohan’ny fikambanan’ny Ben’ny tanàna ao Boeny.
 
Hita taratra tokoa ny fiaraha-mientan’ireto olom-boafidy ireto amin’izao toe-draharaha mahakasika azy ireo izao. Anisan’ireo mafana fo indrindra amin’izany ny filohan’ny Ben’ny tanàna Analamanga, Ralaiseheno Guy Maxime izay nanatrika ireo fivoriana rehetra tany amin’ny faritra andrefana ireo. "Fifampiresahana arahina fandraisana fanapahan-kevitra momba ny hoavin’ny fikambanana no atao fa tsy sanatria mitarika fikomiana akory. Tadidio fa olom-boafidy eny ifotony ny ben’ny tanàna”, hoy izy nanazava ny antony nanatrehana ireo fivoriana ireo. Nambarany koa fa ilaina ny fanamafisana ny fikambanan’ny Ben’ny tanàna ary hisy ato ho ato ny fivoriambe nasionaly hatao eto an-drenivohitra. Nanararaotra ny fotoana nihaonany tamin’ireo namany koa izy nanao tatitra ny zava-misy. “Mitovy hevitra amintsika ihany koa ireo namana any Vakinankaratra sy Betsiboka ary raha momba ny distrikan’Ambohidratrimo manokana dia miombon-kevitra amintsika ihany koa ny antsasamanilan’izy ireo” 
 
Yves
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Minisitra Fanirisoa Ernaivo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Nisy fizarana vola

  • Depiote Nicolas Randrianasolo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Mila mitandrina i Kolonely Michael !»

  • HORONAN-TSARY MAMOAFADY
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Tanora miisa 15 no nosamborina

  • KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Ankizy 759 isa notolorana kopia mari-pahaterana

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

Hijery ny tohiny
FTT